XENA & TEE

                                             Ny Alikanay sy ny tontolony

              Tel 034.01.117.99 / 032.45.332.90 / 033.14.239.46 / 033.02.622.81

                                                Ampatsakana / Itaosy

                                             Antananarivo Madagascar

                                                                       xena.amstaff@yahoo.com

                   

               

Ny alika

Ny dogue allemand

Amstaff

Firafiny

Toetrany

Fitaizana azy

Fahasalamana sy sakafo

Fitandremana tokony atao

FORUM

Ampahafantaro ny hafa ity site ity. Azafady klikeo ilay logo eto ambany

Raha hitanao fa misy diso ny fanazavana sasany omenay dia azafady mba alefaso aty aminay ny fanintsiana miaraka amin'ny porofo manamarina izany, mba hanatsarana ny site-tsika, fa hahitsinay farak'izay haingana izany mba tsy hanoroana vohona ny hafa, satria izahay dia tsy manam-pahaizana manokana momban'ny alika akory fa olona tia alika fotsiny ary te hifanakalo fahalalana aminao.

Misaotra tompoko

 

 Ao izahay no manara-maso sy mitsabo ny alikanay

 

 Raha te hividy na hivarotra na hampanaraka na hanome fotsiny na koa te hampidera fotsiny ny alikanao ianao. Na koa mitady olona afaka ny hikarakara azy rehefa tsy ho eo ianao, na te hanao izany asa izany ianao dia mankanesa eto

NY AMERICAN STAFORDSHIRE TERRIER (AMSTAFF)

Ny tantaran'ny Amstaff dia tsy azo sarahana amin'ny pitbull, kanefa indro misy fanazavana fohy ara-tantara momban'ny amstaff.

 Nantsoina hoe Pitbull ireo alika rehetra nampiadiana tamin'ny omby tany Angletera, Pit = toerana miendrika lavaka sady voafefy, natao ampiadiana biby na olona, toy ny ringa, Bull = Omby. Ka ireo alika rehetra nampiadiana tamin'ny omby tamin'izany dia natsoina avokoa hoe Pitbull, anisan'ny fampiadiana tamin'izany na ny bulldog, na ny terrier anglisy.

Rehefa tena nandroso be ny loka tamin'ny fampiadiana alika sy omby taty aoriana dia samy nitady izay tena alika natanjaka ireo mpiloka satria tsy voafetra hoe karazan'alika toy inona ihany no azo ampiadiana dia nisy ireo mpiloka nanambatra ny bulldog nohon'ny tanjany sy ny Bull terrier nohon'ny hafainganany ka nanomboka teo dia teraka ny hoe PITBUL ka ry zareo mpitradraka arina tao Staffordshire (Angletera) no tena nalaza tamin'io zavatra io.Taty aoriana moa dia nihitatra tamin'ny fampiadiana ny samy alika io fialamboly io!

Taty aoriana dia nisy ny fifindra-monina nakany Etazonia ka nitondra io karazana alika io ry zareo Anglisy. Rehefa nihevitra ny tenany ho Amerikana ireo Anglisy mpifindra-monina dia niady ry zareo mba hanana race vaovao ka nantsoin'dry zareo hoe American PitBull Terrier ny alikany (APBT) ary dia neken'ny AKC (American Kennel Club) izay manana ny Livre des Origines-ny manokana (mitovy amin'ny LOF), ireo anglisy kosa anefa tsy nanaiky satria tsy alika amerikana akory io ka niady ry zareo mba hoe farafaharatsiny ampidirina ao ny toerana niaviany dia i Staffordshire izany, ka nanomboka teo dia nisy koa ny alika mitovy firazanana sy karazana izay tsy nisy valaka tamin'ny APBT, saingy natsoina hoe American STAFFORSHIRE Pit Bull Terrier, izay taty aoriana dia nafohezina tamin'ny hoe AM(erican)STAFF(ordshire Terrier) na hoe AMSTAFF, ary ny UKC (United Kennel Club) ihany no nanoratra izany tao amin'ny Livre des Origines-ny. Ankehitriny dia afaka manana Livre des Origines  roa (02) io karazana alika io ka afaka ny hoe sady PitBull izy no Amstaff izy ! Ary ilay PITBULL alika mpilalao sarimihetsika nalaza nantsoina hoe: PETE THE PUP, izay mpilalao fototra tao amin'ny tantara mitohy nitondra ny lohanteny hoe "The little rascals" sy "Our gang comedy" no Pitbull voalohany nisoratra ho AMSTAFF tao amin'ny livre des origines-ny AKC.

 

Misy ihany anefa ny tsy mampitovy azy eo amin'ny endriny ivelany nohon'ny fampiasana azy amin'ny fampisehoana (exposition) sy ny fihaviana, satria, taloha rehefa nisarabazana ireo mpiompy ka samy nanoratra ny alikany tamin'ny Livre des Origines  izay tiany (AKC na UKC) dia taty aoriana izay taranaka voasoratra ao amin'ny AKC dia PitBull daholo, ary izay voasoratra tao amin'ny UKC dia Amstaff daholo! Amin'izao fotoana izao anefa dia ny AKC ihany no mbola manaiky aloha hoe na Amstaff aza ny alikanao dia azo soratana ho PitBull ao aminy na ny mifamadika amin'izay, raha mazava ny firazanana! Ho an'ny amsatff fotsiny dia tsy ekena ny loko fotsy raha mihoatra ny 80%'ny lokony, ankoatran'izay dia mety daholo!

Indreto koa misy ohatra hafa teo amin'ny tantara, manamafy izany firaisan'ny APBT sy ny AST (American Staffordshire Terrier) izany:

-  i Knight Bomber sy i Crusader AST nalaza tamin'ny taona 60 izay misoratra ho APBT ao amin'ny UKC ohatra dia efa nahazo tompon-daka maro tamin'ny fifaninana hatsaram-bika amin'ny maha AST azy tao amin'ny AKC.

-Toy izany koa ilay AST malaza eran-tany nantsoina hoe Tacoma All A Blaze, izay nanana pedegree anankiroa ka ny iray APBT, ireo AST ankehitriny izay manana ny affixe X-Pert dia taranak'i tacoma daholo no ankabeazany, toa an'i X-Pert's Gallant Betty (teraka tamin'ny 1944) izay tsy iza koa fa taranak'ireo APBT anisan'ny voalohany dia ry Colby, Bennet ary Pitt.

Ankoatran'izany rehetra izany dia ny Livre des Origines'ny AMSTAFF dia vao tamin'ny1968 no nosokafan'ny ACK, ary izay rehetra voasoratra ho APBT tao amin'ny UKC dia afaka nisoratra avy hatrany ho AST tao amin'ny ACK. Ary na ilay mpitsara alika (mba azahoana pedegree) ao amin'ny AKC, antsoina hoe Maxwell Riddle aza dia niteny hoe "Mitovy fihaviana sy karazana ny AMSTAFF sy ny PITBULL, alika iray ihany ireo, ary ny tsy fitoviana kely eo amin'ny fenitra napetraky ny AKC sy ny UKC dia tsy mampiova na inona na inona" - Dog World 1987 by AKC

Nalaina tao amin'ny gazety boky TOP DOGS

laharana faha-5 tamin'ny febroary 1998 - American Staffordshire Terrier.

Marihinay eto aloha fa ny Pitbull tamin'izany dia alika efa voabaiko sy nofanina mihintsy hiady, tsy toy izany anefa ireo pitbull ankehitriny satria efa tena nohezahin'ireo mpiompy nofohanana tanteraka ilay instinct tany amboalohany ka tsy mahagaga intsony amin'izao ny mahita pitbull tena malefaka be! ARy ny amstaff no karazana alika tena mampiseho io toetra iray io

Eto manoratra ho anay

 

 Ny Bull Terrier

Ny Amstaff / PitBull

Diego dadan'i Xena -

Fisaorana ho an'i Mlle Mira Ramanantseheno sy Andy

 

Ny Bulldog tamin'ny andron'ny fampiadiana alika.

Efa hatramin'ny 1898 ny APBT no neken'ny UKC ary tamin'ny 1930 kosa ny AKC

 

Sary maneho ny filokana nantsoina hoe Pitbull