|
| ||||
|
Ampalalao ny hafa ity site ity. Azafady klikeo ny logo eto ambany. Raha hitanao fa misy diso ny fanazavana sasany omenay dia azafady mba alefaso aty aminay ny fanintsiana miaraka amin'ny porofo manamarina izany, mba hanatsarana ny site-tsika, fa hahitsinay farak'izay haingana izany mba tsy hanoroana vohona ny hafa, satria izahay dia tsy manam-pahaizana manokana momban'ny alika akory fa olona tia alika fotsiny ary te hifanakalo fahalalana aminao. Misaotra tompoko
|
NY FITAIZANA AZY
Amin'ny maha-karazana alika efa manana toetra nolovana azy sy ny fitiavany manindry alika hafa, dia tena mitaky fahavononana sy fandavan-tena mihintsy ny fitaizana sy famolahana azy ary tsy maintsy atomboka dieny izy mbola kely! Vao tonga ao an-trano izy dia avy hatrany dia tokony hapetraka amin'ny toerana amin'ny maha-alika azy. Tsy tokony ho tambatambazana izy raha vao tonga. Avelao izy hitsidika ny tanana ary araho tsimoramora, vao mipipy eny antokotany tonga dia dokafo, safoy kely ny lohany, kapokapohy kely ny tratrany ary dokafy izy hoe "Tres bien + ny anarany", avy eo tonga dia omeo sakafo, izay efa voaomana mialohan'ny nahatongavany sy hanazarana azy, aza jerijerena akaiky na hambenana fa avelao hihinana irery ao, rehefa avy eo izy dia andeha hikaka, ka araho na avy hatrany dia batao eny amin'ny toerana tianao hanaovany an'izany. Vao mahavita dia avy hatrany dia dokafy be indray! Vita izany rehetra izany vao ampidiro ao an-trano, avelao hitsidika na avy hatrany dia haka toerana! Raha mpipy sy mikaka tampoka ao an-trano dia aza bedesina aloha fa fomba hametrahany ny fofony iny hoe ao izany ny tranony vaovao Ataovy tsara pirina ny kiraro, ny akanjo tsy ho taraikiray etsy sy ero, ny fehikibo, poketra sy kitapo! Tia kaikikaitra ny Amstaff, ka mba tsy handiso fanantenana anao dia ampirimo daholo ireny! Bedeso izy raha tsy tianao hiditra any amin'ny efitra sasany (WC, douche, salon sns) ianao ihany moa no tokony hisafidy izany! Hividiano kilalao azony kaikikakeriny izy, fa sady mahafak'andro azy iny no mahatsara ny nifiny ary miaro amin'ny fanimbana entana hafa! Hampilalaovy matetika any hivelany izy mba hilamina tsara rehefa ao an-trano, ary kilalao mampihazakazaka azy tena atao, toy ny freesbee, baolina sy ny "Va Chercher". Fadio ny misakafo amin'ny ora mitovy aminy na iray efitra aminy, fa avelao izy hisakafo 1 ora alohanao, na ny tsara indrindra dia ianao no misakafoana aloha, ary aza roahana izy raha mitanintanina fa bedeso fotsiny raha manao fihetsika tafahoatra (mitady hiakatra ambony seza, latabatra sns..). Tadidio foana fa ny alikakely dia mivoaka mipipy isaky ny avy milalao, sy matory ary miampy kaka io raha vao avy misakafo, noho izany dia mahaiza miambina indrindra fa ny pipy izay eo ho eo amin'ny in 5-10 isan'andro, ary ny kaka dia in 3-5 eo ho eo. Ary aza adino ny mandoka azy isaky ny manao any ivelany izy. Amin'ny voalohany aloha dia batao avy hatrany izy isaky ny tokony ho tonga io fotoana io! Raha kosa sendra tratra eo ampanaovana ao an-trano izy dia avy hatrany dia bedeso ary ento mivoaka, raha tsy tratra kosa dia avelao amin'izao, avohay fotsiny izy dia aza fafana eo imasony! Fadio kosa ny mikapoka, na mibata azy dia manohoka azy eo amin'ilay maloto sady mitabataba! Tadidio fa raha tsy manao intsony ilay alika dia aza mieritreritra fa nandaitra ilay kapoka, fa mety ilay hoe mivoaka mihintsy no heveriny fa tsy mety!! Ka eny amin'ny toerana tsy ampoizina izy no hanao (mitsangatsangana, anaty fiara, any an-tranon'olona sns). Rehefa hainy hoe aiza izy no tokony hivoaka dia hitomany, na hikaoka na hiandry eo ambaravarana izy rehefa te hivoaka, ary rehefa eny amin'ny toerana tsy mahabedy izy no mivoaka dia tsy hatahotra anao fa hivoaka tsara sy ho faly ahazo tambitamby aminao raha vao mahavita Ny fibedesana dia ataovy hentitra ary tandrovy mba hanekeny anao satria tianao izy fa tsy hoe hanaiky satria matahotra! Ny fomba hanomboana izany dia tsotra; omeo sakafo amin'ny viliany izy dia avelao hihinana, raha mbola eo ampihinanana iny izy dia alaivo ilay vilia, ka raha vao mitrerona manohitra avy hatrany dia felaho in1 sady treromy no alaivo ilay vilia! rehefa mipetraka tsara dia omeo indray dia avereno ilay fampiasana mandram-panaiky azy! Tadidio anefa fa tsy tsara ny mikapoka, na mahita fahafinaretana amin'izany, ka noho izany io fampiasana io dia tokony hovitainao ao antin'iny andro iny ihany fa tsy hoe averimberina matetika akory! Ary raha mbola kely izy no atao fa tsy miandry azy efa lehibe fa tsy ho voatohitrao izy raha mivadika eo! Rehefa vita izany rehetra izany araho ny torohevitra ato
|
Raha te hividy na hivarotra na hampanaraka na hanome fotsiny na koa te hampidera fotsiny ny alikanao ianao. Na koa mitady olona afaka ny hikarakara azy rehefa tsy ho eo ianao, na te hanao izany asa izany ianao dia mankanesa eto | ||