|
|
| |||
|
Anaran'alika (lien) Ampahafantaro ny hafa ity site ity. Azafady klikeo ny logo eo ambany.Raha hitanao fa misy diso ny fanazavana sasany omenay dia azafady mba alefaso aty aminay ny fanintsiana miaraka amin'ny porofo manamarina izany, mba hanatsarana ny site-tsika, fa hahitsinay farak'izay haingana izany mba tsy hanoroana vohona ny hafa, satria izahay dia tsy manam-pahaizana manokana momban'ny alika akory fa olona tia alika fotsiny ary te hifanakalo fahalalana aminao. Misaotra tompoko Ao izahay no manara-maso sy mitsabo ny alikanay
Raha te hividy na hivarotra na hampanaraka na hanome fotsiny na koa te hampidera fotsiny ny alikanao ianao. Na koa mitady olona afaka ny hikarakara azy rehefa tsy ho eo ianao, na te hanao izany asa izany ianao dia mankanesa eto |
NY FIRAFINY
Toy izao ny firafitry ny vatan'ny Amstaff (notapahina sofina)
Ary voarakotra hozatra mantanjaka be avokoa ny vatany, ary tokony ho tahaka izao ny refiny
Ary misy karazany telo toy izao ny gabarit-ny,
Ny vahana Bully no antsoin'ny olona hoe "Gros Gabarit" izay tsy tena araky ny fenitra tena izy kanefa azo leferina, (misy mpitsara sasany tsy mety mi-confirmer io type io) somary fohy kokoa ny tongony ary somary mavesatra fandeha, io no nolovany avy amin'ny Bulldog! Toy izany koa ny vahana atao hoe 'Terrier".mifanohitra tanteraka amin'ny Bully izy io ary mety maivan-taolana sy malemy hozatra kokoa! Ary na dia tsy dia mivaona ny fenitra aza io karazana io dia tsy amporisihana kosa ny fampitomboana ny taranany (izany hoe mampivady ny samy terrier)
Toy izao kosa ny vahana idealy, antsoina hoe "modere", izy io dia latsaka eo anelanelan'ny Bully sy Terrier, tsy maintsy tafiditra ao anatin'ny refy manaram-penitra kosa, izany hoe 43-46 cm au garrot ny hahavon'ny vavy ary 46-48 kosa ny lahy, azo leferina ny refy latsaka na mihoatra 1 cm kanefa koa tsy dia tadiavina! Ny lanjany kosa dia tsy tokony hihoatra ny 23 kg! Tandremo tsara ary fa tsy voatery hoe ny ngezabe na ny kely loatra no voatery ho tsara! Jereo tsara ny firafitry ny hozany fa na dia mandrakotra ny vatany sady matanjaka aza dia tsy hita mivongovongobe ka mety hanome endrika matavy na be vozona! IRETO KOSA NY TSY EKENA Rehefa feno herintaona vao hita avokoa ny tsy mety amin'ny alika iray, izay no antony hahaizana misafidy tsara ny alikakely ho alaina. Ireto avy no marika ahalalana fa tsy tena pure ny amstaff iray: 1) kanosa na masiaka loatra 2) Refy latsaky ny 45cm na mihoatra ny 50cm ho an'ny lahy, ary latsaky ny 43 cm na mihoatra ny 46cm au garrot ho n'ny vavy, ny latsaka na mihoatra ny 1 cm dia azo leferina saingy tsy iriana! 3) Rambo miforitra eo amin'ny lamosina matetika 4) Sofina mitsangana na mipetaka loatra eo amin'ny takolaka, ho an'ireo tsy mitapa-tsofina. TSY IRINA KOSA NY Azo leferina, kanefa tena tsy iriana kosa ny loko Mainty sy volontsokola mitambatra, raha tsy ohatra angaha ka hoe bringe ilay lokony, toy izany koa ny loko fotsy mihoatran'ny 80%'ny vatany, sy ny ny mazava maso,
|
|||