|
|
| |||
|
Ampahafantaro ny hafa ity site ity. Azafady klikeo ny logo eto ambany. Raha hitanao fa misy diso ny fanazavana sasany omenay dia azafady mba alefaso aty aminay ny fanintsiana miaraka amin'ny porofo manamarina izany, mba hanatsarana ny site-tsika, fa hahitsinay farak'izay haingana izany mba tsy hanoroana vohona ny hafa, satria izahay dia tsy manam-pahaizana manokana momban'ny alika akory fa olona tia alika fotsiny ary te hifanakalo fahalalana aminao. Misaotra tompoko Ao izahay no manara-maso sy mitsabo ny alikanay
|
NY TOETRANY
Ny Amstaff dia alika kely manana herimpo sy herimbatana goavana be. Na dia somary mahaleo-tena aza izy rehefa eny ivelan'ny trano dia alika tena milamina sy tia tambitamby be izy rehefa ao an-trano! Alika tena mahatoky tena izy, ary tsy dia mora mikorapaka eo anatrehan'ny trangan-javatra tampoka na eny ivelany io na ao anatiny, toy ny: kilakisaona fiara, zavatra mianjera, horakoraka na jiro mirehitra tampoka (ao amin'ny maizina) sns raha voataiza tsara. Alika tena tia milalao, ary tsy mety vizaka amin'izany, indrindra fa ny baolina sy ny fifampisontomana ary ny adiady. Somary mafimafy loha indraindray ary raha tsy folahana dieny mbola kely dia mety tsy ho azo tenenina mihintsy! Alika tena mahery an-tanana koa ny Amstaff, tsy manaiky lembenana ary tsy mihemotra eo anoloan'ny loza, indrindra fa raha ao amin'ny tananany! Ny fitiavana hanindry alika hafa no tena lafiny manahirana aminy, ary tena mitomany mihintsy raha vao tsy avela hiady, indrindra fa amin'ny alika vahiny, ary dia tena mamono tsy misy fiantrana mihintsy! Izay n anony iray tsy maintsy hamolahana azy raha tena mbola kely (2 volana), ary na izy mpiraitampo aza dia mifamono mihintsy raha vao feno 1 volana!
|
Kely fa be herim-po sy tanjaka Mihanta sy tia tambitamby kosa izy ao an-trano
Tena tia milalao koa izy, indrindra fa ny baolina
Raha te hividy na hivarotra na hampanaraka na hanome fotsiny na koa te hampidera fotsiny ny alikanao ianao. Na koa mitady olona afaka ny hikarakara azy rehefa tsy ho eo ianao, na te hanao izany asa izany ianao dia mankanesa eto
| ||